Fifidianana Ben’ny tanana sy ny mpanolotsaina: Nohamafisin’ny governemanta tamin’ny didim-panjakana ny datin’ny 27 novambra 2019

  • jeudi, 15 août 2019 20:02
  • Zakaria

Tapaka tao anatin'ny filan-kevitry ny governemanta ny 14 Aogositra 2019 fa dia hotontosaina ny 27 novambra 2019 ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna manerana ny Nosy, araka ny tolokevitra avy any amin'ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI).

Didim-panjakana telo no noraisina mba handrindrana ny fanatanterahana ny fifidianana, dia ny Didim-panjakana manaika ny mpifidy ho an'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna ho an'ireo Kaominina rehetra, na ambonivohitra na ambanivohitra, manerana ny Nosy.

Didim-panjakana mamaritra ny fomba hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna ho an'ireo Kaominina rehetra, na ambonivohitra na ambanivohitra, manerana ny Nosy.

Ary ny Didim-panjakana mamaritra ny fandraisana anjara ara-bolan'ireo kandida sy ny lisitry ny kandida amin'ny saram-panontana ny biletàm-pifidianana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna ho an'ireo Kaominina rehetra, na ambonivohitra na ambanivohitra, manerana ny Nosy. Mamaritra koa ny fomba famerenana io fandraisana anjara io ho an'ireo kandida mahafeno ny fepetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.