Ministeran’ny Filaminam-Bahoaka: Fifamindram-pitantanana

  • vendredi, 16 août 2019 11:01
  • Njaka
  • Sary nomena

Lanonana 03 sosona no notanterahina teto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny alarobia faha 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines), ny DPJ (Direction de la Police Judiciaire) ary ny DIGS (Direction de l’Inspection Générale des Services).

Arak’izany dia voatendry ho eo amin’ny toeran’ny Directeur des Ressources Humaines ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMAVO Roger Henri, nisolo toerana ny Contrôleur Général de Police RAJAONARISON José Andrianasolo.

Voatendry ho Directeur de la Police Judiciaire ihany koa ny Commissaire Principal de Police SERALY Hercule, nisolo toerana ny Contrôleur Général de Police ANDRIANIRINA Alain Bruno.

Ary voatendry ho Directeur de l’Inspection Générale des Services eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-Bahoaka kosa ny Commissaire Principal de Police RANDRIANIRINA Manahy, nisolo toerana ny Commissaire Principal de Police RAKOTONDRASOA Jean de Matha.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny solotenan’ireo Tale dia naneho fisaorana ireo mpiara-miasa aminy izy ireo ary nitso-drano sy nankahery ireo tale voatendry amin’ny adidy sy andraikitra vaovao izay hosahaniny.

Nandray fitenenana nisolo tena ireo Tale vao voatendry kosa ny DRH, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMAVO Roger Henri, ka fisaorana no nomeny ny fitondram-panjakana nanome fitokisana azy ireo, ka nanendrena azy ireo tamin’izao toerana izao, ary narahina fanomezan-toky amin’ny hanohizana ny ezaka efa vitan’ny teo aloha sy hitondra fanatsarana kokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.