Ambondromamy: Tra-tehaka tovolahy iray mpisera rongony

  • vendredi, 16 août 2019 11:29
  • Njaka
  • Sary Polisim-pirenena

Tovolahy 01 sahabo 19 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Ambondromamy ny alin’ny talata hifoha alarobia faha 14 aogositra 2019 teo noho ny fitondrana rongony.

Noho ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina aty amin’ny faritra Betsiboka, dia manatanteraka Barrage de sécurité ny polisy aty an-toerana, entina hiadiana amin’ny fivezivezen’ireo zava-mahadomelina ireo.

Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nisy fiara 01 nosakanan’ny polisy teto Ambondromamy rehefa avy nahazo vaovao avy amina tsara sitrapo izy ireo mahakasika ny tovolahy 01 izay mpitatitra rongony mandeha amin’io fiara io.

Rehefa nosavaina ilay fiara dia tratra tao tokoa ilay tovolahy, nosavaina avy hatrany ny entany, ka dia rongony 36 fatotra lehibe, tombanana ho milanja 10 kilao no tra-tehaka.

Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo, ary tany amin’ny faritra Ambalafaminty, any Port Berger, no nividianany azy, ka nokasainy hamidy sy haparitaka aty Ambondromamy izany.

Mbola misy mpiray tsikombakomba aminy mpandray ireo rongony ireo karohina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.