Antsirabe: Tranga famonoan-tena telo tao anatin’ny andro iray

  • mercredi, 21 août 2019 21:51
  • Zakaria

Nisesy ny famonoan-tena teto Antsirabe. Tovovavy roa tokony ho 17 taona, samy avy any Andranomanelatra, ary mbola samy mpianatra avokoa ny tranga voalohany. Nentin'ny havany teny amin'ny hopitaly Andranomadio izy ireo novonjena saingy teny an-dalana dia tsy tana ny ain'ilay tovovavy iray ; avotra soamatsara kosa ilay iray hafa. Nambaran'ny mpitsabo fa poizim-boalavo no narapak’izy ireo.

Tranga faharoa dia lehilahy iray, izay voalaza fa niady saina noho ny fanodinkodinam-bola 30 tapitrisa Ariary tamina banky iray no antony namonoany tena. Soa fa tsy namoy ny ainy izy, saingy mbola manaraka fitsaboana.

Ny andron’ny alatsinainy 19 aogositra 2019 avokoa no niseho ireo tranga famonoan-tena ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.