Antsohihy: Tsikombakomba hampandosirana gadra ?

  • jeudi, 10 octobre 2019 14:22
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Mampiahiahy ny zava-nitranga ny 8 oktobra 2019. Nanao fangatahana hivoaka ivelan’ny fonja Antsohihy, Rtoa Zafintsoavina Séverine, Ben’ny tanàna teo aloha tao Angoaka-Sud, Distrikan’Analalava, Faritra Sofia fa hikarakara taratasy hidirana ho dokotera. Nanome fahazoan-dalana azy ny Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Sofia, saingy misy mpanaraka (sous escorte).

Solombavam-bahoaka amperinasa no nitondra azy, ary efa tany Port-Bergé i Séverine no naverina rehefa nanao fisafoana tampoka ny Mpitsara mpanampy (Substitut). Naverina avy hatrany ao amin’ny fonjan’Antsohihy i Séverine taorian’izay.

Eo ampelan-tanan’ny Zandary GAPJ (Groupe d'Appui à la Police Judiciaire) Sofia ny raharaha ankehitriny, mandeha ny famotorana.

Voasazy higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra i Zafintsoavina Séverine, Ben’ny tanàna tao Angoaka Sud. Nivoaka ny zoma 2 aogositra 2019 ny didim-pitsarana tamin’ny raharaha nahavoarohirohy azy.

Telo ny vesatra niampangana azy dia fampijaliana, fanerena olona hanome vola ary fikambanan-jiolahy. Efa notazomina am-ponja vonjimaika nanomboka ny sabotsy 6 jolay 2019 izy noho ireo raharaha ireo. Mbola voarohirohy tamina raharaha vono olona niniana natao ihany koa izy.

Kandida mpisolotoerana tamin’ny lisitra IRD tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tao amin’ny Distrikan’Analalava, tamin’ny fifidianana notontosaina ny 27 mey 2019 ity Ben’ny tanàna nomelohon’ny Fitsarana ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.