Ambohijanahary – Antehiroka: 05 lahy mitam-basy nandroba vola sy firavaka ary fitaovana informatika

  • jeudi, 10 octobre 2019 15:53
  • Zakaria

Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 10 oktobra 2019, tamin’ny 1 ora maraina, no nitrangan’ity fanafihana mitam-basy ity tao Ambohijanahary, Kaominina Antehiroka, Distrika Ambohidratrimo.

Dimy lahy mitam-basy no nanafika ity tokantrano ity. Nofatoran’izy ireo ny mpiambina, avy eo niditra nanao am-boletra ireo jiolahy, sady nanambana basy ny tao an-trano hanome vola sy firavaka.

Nentin’ny tahotra ny tompontrano ka nanome ny firavaka volamena, finday miisa fito, ordinatera entin-tanana iray, miampy « tablette » iray ary vola 200 000 Ariary.

Afa-patorana ilay mpiambina nandritra izany ka tafatsoaka niantso vonjeo, ka nanaitra ny manodidina, ary ireto farany no nampandre avy hatrany Zandary. Tonga ireto farany ary nanao savahao avy hatrany. Tamin’izany no nahitana finday enina, « tablette » iray sy ireo firavaka miampy basy poleta iray, « calibre 9mm », mbola misy bala dimy, tombanana nampiasain’ireo jiolahy, saingy latsaka tamin’ny tany teny ampandosirana ireo.

Nampidirina an-tsehatra ihany koa ny alika mpitsongo tamin’ny fikarohana ireo jiolahy. Nisy vola 20 000 Ariary hita. Very teo Ankadivory Talatamaty kosa ny dian’ireo olon-dratsy.

Mitohy ny fikarohana ataon’ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.