Antsakoamanondro-Ambanja (RN6): Mpizaika anglikana tra-doza, roa namoy ny ainy

  • jeudi, 10 octobre 2019 20:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsakoamanondro, 12 km tsy hidirana an’Ambanja raha avy any Ambilobe androany alakamisy 10 oktobra 2019 manodidina ny tamin’ny 10 ora maraina.

Fiara Mazda minibus iray, nitondra mpivavaka anglikana hamonjy fivoriamben’ny Anglikana ao Ambanja no tra-doza, nifatratra tamin'ny hazo, raha niala mpitondra bisikileta mitondra saribao. Namoy ny ainy ny roa tamin’ireo olona roapolo tao anaty fiara. Naratra ny ambiny. Tsaboina ao amin’ny Clinique Saint Damien sy hopitaly be Ambanja ireo maratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.