Solika: Tsy hiakatra ny vidiny, mbo manana tahiry 21 andro i Madagasikara

  • lundi, 21 octobre 2019 19:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Misy ny solika, tsy hiakatra ny vidiny, ka tsy misy tokony hampitaintaina ny mpanjifa, hoy ny fanamafisana avy eo anivon’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures). Mbola manana tahirin-tsolika mandritra ny 21 andro i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.

Toby mpaninjara solika miisa 18 amin’ny 100 no nisy tsy fahampiana kely teto Antananarivo Renivohitra ny faran’ny herinandro noho ny fahataran’ny famatsiana avy amin’ny fiarabe, izay no nampikoropaka ny olona teto an-drenivohitra sy tao Toliara ary koa Toamasina.

Amin’ny 25 oktobra 2019 ho avy izao no tonga ao Toamasina ny sambo be mpitondra solika na « tanker ».

(Jreo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.