Ambohigogo – Farafangana: Omby 22 lasan’ny dahalo, sivily iray maty voatifitra

  • lundi, 28 octobre 2019 19:11
  • Zakaria

Nitrangana fanafihan-dahalo mitam-basy tao amin’ny tanànan’i Manantorondra Fokontany Iabovolo, Kaominina Ambohigogo, Distrikan’i Farafangana ny alin’ny sabotsy 26 oktobra 2019. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby miisa 22.

Nisy ny fifandonana tamin’ny Fokonolona, namoy ny ainy tamin’izany ny sivily iray.

Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy, ary mifarimbona manatanteaka izany ny Zandary avy amin’ny kaompania Farafangana, sy ny avy amin’ireo « Poste Fixe » ao Etrotroka, Lotranambo ary Mahamasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.