Antenimieram-pirenena: Hifidy ireo depiote solontenan’ity andrimpanjakana ity ao amin’ny Fitsarana Avo

  • jeudi, 31 octobre 2019 10:50
  • Zakaria

Miisa iraika ambin’ny folo ireo mpikambana mandrafitra ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice) araka ny voalazan’ny andininy faha-136 amin’ny Lalampanorenana malagasy. Ny andalana faha-4 amin’io andininy io no milaza fa solombavam-bahoaka ny roa amin’ireo mpikambana mandrafitra ny Fitsarana Avo ireo, izay fidiana amin’ny fanombohan’ny fotoam-piasan’ny Antenimieram-pirenena vaovao, toy izany koa ireo depiote roa mpisolo toerana.

Anio alakamisy 31 oktobra 2019 ity no hifidianana ireo depiote solontenan’ity andrimpanjakana ity ao amin’ny Fitsarana Avo ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.