Antsirabe: Ravan’ny Zandary ny tambazotra iray mpanondrana olona

  • samedi, 02 novembre 2019 10:04
  • Zakaria
  • Sary ZP

Olona roa, lahy sy vavy, no voasambotry ny Zandary avy ao amin'ny Kaompania Antsirabe, rehefa nokarohina andro maromaro. Voarohirohy amina fanondranana olona izy ireo.

Mitady olona tena sahirana ara-pivelomana eto Antsirabe izy ireo, ary mivarotra izany amin'ny mpanam-bola, ka 40 tapitrisa ariary no hivarotany ny olona iray. Alainy am-pitaka moa ireo olona sahirana ireo, satria lazainy fa hoentina hikarama any Toamasina, ary omena karama 120 000 ar. Afaka mitondra vady amanjanaka.

Noraisim-potsiny ireto mpanao ratsy, niaraka tamin'ny olona fito mianaka saika hamidy. Efa natolotra ny Fitsarana izy ireo, fa mbola mitohy ny fikarohana ireo mety ho namany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.