CNTEMAD: Hotanterahina ny 18 ka hatramin’ny 22 novambra ny fanadinana nasionaly

  • samedi, 02 novembre 2019 19:50
  • Zakaria

Namoaka fanambarana ny fitantanana ny CNTEMAD fa dia hotanterahina ny 18 ka hatramin’ny 22 novambra ny fanadinana nasionaly.

Tokony natao ny 21 hatramin'ny 25 oktobra 2019 io fanadinana io, saingy nifanindry tamin’ny andro nanatanterahana ny fihodinana faharoa manokana amin’ny fanadinana bakalorea ankapobeny, izay nanomboka alarobia ny 23 oktobra, ary ka hatramin’ny sabotsy 26 oktobra 2019.

Ho an’ny teto Antananarivo manokana, dia sady foibem-panadinana bakalorea ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) no foibem-panadinana amin’ny fanadinan'ny CNTEMAD ka izay no anton’ny nanemorana ny fanadinana, araka ny fanambarana nivoaka tamin’ny 8 oktobra 2019, ary dia izao nivoaka izao ny datim-panadinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.