Ambohimahasoa: Zandary iray nitifitra ankitsirano ka nahafaty vehivavy iray

  • dimanche, 03 novembre 2019 22:31
  • Zakaria

Ny tolakandron’ny sabotsy 2 novambra 2019 ity habibiana ity no nitranga. Nisy vehivavy telo nosamborin’ny Zandary, fa nahiahiana ho nitarika dahalo nanafika tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao Ambohimirary ny volana septambra 2019. Nentina tao amin’ny « Poste Fixe » Ikalakao izy ireo.

Nampandohalihan’ny zandary iray manana grady « 2ème Classe » teo an-tokontany izy ireo. Nosakanan’ny lehibeny tsy hanao io fihetsika io ilay zandary, fa tsy tana, ary vao maika notifiriny teo amin’ny lohany ny vehivavy iray fantatra amin’ny anarana hoe : Nomenjanahary Jeanne na Zesiana. Maty tsy tra-drano ity farany.

Nosamborina, ary nalaina teny aminy ny basiny. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana. Nakarina ao Ambohimahasoa ilay zandary nahavanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.