« Iles éparses »: Miisa 5 ireo solontenan’ny fitondrana Malagasy hiatrika ny fifampidinihana amin’ny Frantsay

  • mercredi, 13 novembre 2019 21:46
  • Zakaria

Hodinihana amin’ny alatsinainy 18 novambra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy (Iles éparses) aty amin’ny ranomasimbe indiana, ka olona miisy dimy no hisolontena ny fitondram-panjakana Malagasy.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny Akademia Malagasy, izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany ; ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ; ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ; Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite any Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

Adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana, ka ilaina ny hanehoana ny firaisam-pirenena hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra androany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.