Fampianarana ambony: Hifamotoana eo amin’ny « Esplanade » Ankatso ny SECES sy ny mpianatra

  • mardi, 03 décembre 2019 21:42
  • Zakaria

Hihaona amin'ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo ny SECES rahampitso maraina alarobia 04 desambra mba hampahafantaran’ireto farany ny anton'ny fitakiana ataon’ireo Mpikaroka-mpampianatra sy hamaliana fanontaniana.

Eo amin’ny « esplanade » Ankatso no voatondro fa hihaonan’ny roa tonta.

Fa tao amin’ny Oniversiten’i Toliary dia tamin’ny alalan’ny filaharana mihodidina ny “campus” no nanohizan’ireo Mpikaroka-mpampianatra ny hetsika fitakiana, omaly, izay nofaranana tamin’ny fanaovana “sit-in” teo anoloan’ny Fiadidiana ny Oniversite ary fametrahana “banderoles”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.