Ankazoabo: Mirongatra ny vaky fasana sy vono olona miaro halatra taova

  • jeudi, 05 décembre 2019 14:01
  • Zakaria

Nisesy ny vono olona miaro halatra tato amin’ny Distrikan’Ankazoabo tato ho ato. Ny alatsinainy teo tao Ambalamarina, dia tovolahy iray 18 taona no maty nisy namono, ary noloarana ny voamasony roa. Lehilahy iray ihany koa no maty nisy namono tao Ampandramitsetaky, Kaominina Tandrano. Tranga toy izany koa no niseho tao Morahariva, Kaominina Berenty.

Miantso vonjy amin’ny manampahefana ihany koa ny aty an-toerana manoloana ny firongatry ny vaky fasana tato ho ato. Hatreto tsy misy voasambotra ireo navanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.