Amoronakona: Nisy nangalatra ny tarobia mitondra herinaratra mampihodina ny toby famokaran-drano

  • dimanche, 08 décembre 2019 17:52
  • Zakaria

Lasibatry ny mpangalatra ny tarobia mitondra herinaratra mampihodina ny toby famokaran-drano eny Amoronakona. Ny alin’ny sabotsy hifoha androany alahady no nisehoan’ny halatra, araka ny fampitam-baovaon’ny Jirama.

Vokan’izany dia miato ny fanaovana andrana famatsian-drano an'Ambohimangakely - Ambohimahitsy sy ny manodidina.

Efa mandray ny andraikiny amin'ny fanoloana io tarobian-jiro io ny Jirama mba hahafahana manohy ny andrana famatsian-drano ataon'ity toby ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.