Fanafihan-jiolahy tao Ankazondandy sy Sadabe: Zandary iray amperinasa notazomina atao famotorana

  • dimanche, 08 décembre 2019 18:36
  • Zakaria

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin’ny Kaominina Ankazondandy sy Sadabe ny alin’ny 2 desambra 2019. Zandary iray miasa ao Sabotsy Namehana ahiahiana ho tafiditra tamin’ity fanafihan-jiolahy ity.

Samy nanondro azy avokoa ny olona efatra tamin’ireo niharam-boina rehetra nataon’ny zandary avy amin’ny Kaompania Imerina Centrale ny fifanatrehana ny 5 desambra 2019. Narahina fisavana ny tranon’ilay zandary izany, ka nahitana tranom-bala iray, ody gasy, akanjo « blouson » hoditra mainty nampiasainy tamin’ny fanafihana.

Notazomina avy hatrany anaovana fahadihadiana io zandary io amin’izao fotoana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.