Asa fanaovan-gazety: Ho tonga an-tanindrazana amin’ny zoma ny nofo mangatsiakan’i Sabine Rakotozafy

  • mercredi, 11 décembre 2019 21:31
  • Zakaria

Nodimandry tany Nice-Frantsa ny 6 desambra 2019, teo amin’ny faha-72 taonany i Sabine Rakotozafy. Ny zoma 13 desambra no ho tonga eto Madagasikara ny nofo mangatsiakany.

Ny alahady no halevina ao amin’ny fasandrazany eny Anosiala, Ambohidratrimo, aorian’ny fanaovam-beloma farany atao ao amin’ny EKAR Ankadivato-Antananarivo.

Mpanao gazety tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy i Sabine Rakotozafy. Ireo zonkinjokiny dia mahatadidy ny fitateram-baovao ataony, indrindra rehefa misy dia any ivelan’i Madagasikara, ataon’ny filoha Didier Ratsiraka, faha-Repoblika faharoa.

Hentitra tamin’ny asa izy. Mpanao gazety maro no efa nandalo teo ambany saokany, nampianariny sy natorony ho matihanina amin’ny asa, na fanoloram-baovao izany na fitrandraham-baovao na fandrafetam-baovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.