Toliara: Atrik'asa mikasika ny ady amin'ny fitsaram-bahoaka

  • jeudi, 12 décembre 2019 23:25
  • Zakaria

Tanterahina ao amin'ny kianja mitafo Toliara mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny atrik'asa mikasika ny ady amin'ny fitsaram-bahoaka.

Natao indrindra hitadiavam-bahaolana amin'ny fitsaram-bahoaka ity atrik'asa ity, izay tohanan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD. Manodidina ny 140 ireo mpandray anjara avy amin'ny ankolafy maro samihafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.