Mahajanga: Vazaha lahy mpanao gazety naratra notifirin’ny jiolahy

  • dimanche, 15 décembre 2019 20:15
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Naratra notifirin’ny jiolahy, tao Mahajanga ny harivan’ny sabotsy 14 desambra 2019, i Patrick Millan, mpanao gazety sady tonian’ny vondrona Kwezi (Kwezi TV sy France Mayotte matin) atsy amin’ny nosy Mayotte.

Teo ampisakafoanana hariva ny ankohonany no nisy jiolahy roa mitam-basy tafiditra tao an-tranony handroba. Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny jiolahy, ary voa teo amin’ny tanany sy ny tratrany i Patrick Millan raha nanakana ny basin'ilay jiolahy tsy hipoaka. Nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izay.

Tsy misy ahiana ny ain’i Patrick Millan saingy voa mafy ny tanany, ary mety hiazo an’i Frantsa izy hitsabo tena.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.