Fanapoizinana ara-tsakafo tetsy Andravoahangy: Nalefa nody ireo mpianatra narary rehefa nahazo ny fitsaboana nilaina

  • lundi, 16 décembre 2019 19:24
  • Zakaria
  • Sary: MENETP

Mpianatra sy tomponandraikitra miisa 64 ireo narary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tao amin’ny sekoly tsy miankina iray etsy Andravoahangy androany. Mpampianatra sy tomponandraikitry ny sekoly ny 04 tamin’izy ireo. Nentina avy hatrany namonjy ny sampandraharahan’ny famelomana aina sy ny fanapoizinana tetsy amin’ny sampana Vonjy aina an’ny HJRA avokoa izy ireo androany antoandro.

Tsy nisy ny namoy ny ainy fa nandoa sy nivalana ary nalemilemy ireo marary. Nalefa nody ireo marary rehefa nahazo ny fitsaboana nilaina, izay maimaimpoana avokoa.

Fihinanana mofo tao amin’ny « buvette » izay an’ny sekoly ihany no namparary azy ireo araka ny fanazavana azo.

Tonga nankahery ireo niharam-boina ary nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ny sekoly ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-tekinika sy arak’Asa ny hariva teo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.