« Kidnapping »: Nentina atao fanadihadiana aty Toamasina i Haja

  • lundi, 16 décembre 2019 19:58
  • Zakaria

Taorian’ny nisamborana an’i Manantena Hajanirina Dinah na Haja, izay efa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny volana martsa 2019 noho izy voatondro ho atidohan’ny fakana an-keriny karana mpandraharaha iray ao Toamasina ny novambra 2018, dia nentina niverina eto Toamasina izy atao fanadihadiana eo anivon'ny zandary misahana ny heloka be vava.

Ifandroritan’ny Fitsarana Toamasina sy ny ao Antananarivo ny raharaha. Etsy ankilany dia mpisolovava maro no ahetsiky ny fianakaviany amin’ity raharaha ity.

Nifanenjehana teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza i Haja ny 9 desambra 2019 teo. Tafaporitsaka izy ary tany anaty « WC Public » no voasambotra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.