Tafika Malagasy: Hapetraka eny Arivonimamo ny « Académie de l’air »

  • dimanche, 22 décembre 2019 22:33
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hapetraka tsy ho ela eny Arivonimamo ny « Académie de l’air » eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nivoitra io nandritra ny lanonana fanehoana ambany faneva an’ireo mpianatra andiany mivantana faha-43 izay miisa 77 mianadahy, sy ireo mpianatra ho manamboninahitra mpanamory 20 mianadahy ny sabotsy 21 desambra 2019, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe rehefa nahavita ny fiofanana ara-miaramila fototra nandritry ny 45 andro.

Miisa 20 mianadahy ireo mpanamory, izay voalohany nofanina teo anivon’ny Tafika Malagasy.

« Tsy mora no miandry ireto mpanamory ireto rehefa hivoaka ny sekoly afaka volana maromaro» hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard, na ny eo amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo aza dia afaka itarafana izany. Tsy mpanamory tsotra fotsiny izy ireo fa « mpanamory miaramila », noho izany dia mila miomana amin’ny zavatra rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.