Herinaratra sy rano: Naka fepetra manokana ny JIRAMA mandritra ny fety

  • mardi, 24 décembre 2019 13:32
  • Zakaria
  • Sary Jirama

Hiatrehana ny Noely sy ny fetin'ny faran'ny taona dia nandray fepetra manokana ny Jirama. Ho an’Antananarivo dia nampitomboana ny ekipa « dépanneurs » ka ekipa 8 no miasa andavanandro ary ahitana olona valo ny ekipa iray. Ekipa « dépanneurs » miisa folo no miandry raharaha ny andron’ny Noely ary 20 ny andron’ny taom-baovao.

Nampitomboana ihany koa ny isan’ny vondrona mpihary herinaratra any amin’ny faritra.

Nampitomboana ny ekipa « dépanneurs » hiatrehana ny mety ho fahatapahan-drano tampoka. Toy izany koa ny amin’ireo foibe famokarana rano toa an’i Mandroseza, Ankadivoribe, Faralaza ary Sabotsy Namehana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.