Maroantsetra: Dibo-drano ny tanàna maro, tapaka ny herinaratra

  • mercredi, 25 décembre 2019 14:48
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tao anaty orambe no nitsenan’i Maroantsetra ny Krismasy 2019. Maro ny tanàna dibo-drano vokatry ny andro ratsy, ary namono raim-pianakaviana iray tao Andrangazaha Kaominina Ankofabe.

Tapaka nanomboka ny talata 24 desambra tamin'ny 8ora alina ny famatsiana herinaratra fa nidiran'ny rano ny fitaovana fototry ny famokarana herinaratra an'ny Tozzi Green any Ambodiriana, mamatsy ny Jirama Maroantsetra. Mbola mety haharitra ny fanamboarana, hoy ny tompon'andraikitr'ity orinasa ity.

Tapaka manaraka an’izay koa ny tambazotra fifandraisan-davitra Telma, izay mandrakotra ny ankamaroan'ny Kaominina aty Maroantsetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.