Lalam-pirenena faha-13: Andiana fiara notafihin’ny dahalo

  • jeudi, 26 décembre 2019 20:52
  • Zakaria

Fiara efatra nitanjozotra mianatsimo manaraka ny lalam-pirenena faha-13 no notafihin’ny andian-dahalo teo Manangovy, tanàna anelanelan’i Betroka sy Soanala ny alin’ny krismasy 25 desambra 2019. Vatan-kazo no nataon’ireo dahalo sakana teo amin’ny arabe nampijanonana ny fiara.

Vantany vao nijanona ireo fiara dia nanao tifitra variraraka ireo dahalo. Vaky ny fitaratry ny fiara sasany, ny hafa teny amin’ny vatan’ny fiara no nisy diam-bala. Nanezaka nandeha mafy ny fiara, ka voadingana ny sakana nahafahan’izy ireo nanavotr’aina niala ny fandrobana.

Ny alin'ny zoma lasa teo dia nisy fiara taksiborosy TATA iray ihany koa nosakanan'ny dahalo teo amin'io toerana io, fa voadingany ireo vato nataon'ny dahalo sakan-dalana ka tafatsoaka na teo aza ny tifitra nataon'ny dahalo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.