Jirama Ambositra: Sivy lahy tratra nangalatra solika, nidoboka am-ponja avokoa

  • lundi, 30 décembre 2019 09:24
  • Zakaria

Nitrangana halatra solika tao amin'ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama Ambositra, ny Zoma teo tokony ho tamin'ny sivy ora sy sasany alina. Olona miisa sivy no tra-tehaka tamin'izany ka mpiasa ny roa, ary mpiambina ny fito. Tratra niaraka tamin'izy ireo ny gazoala 170 litatra efa natao anaty daba miaty 20 litatra miisa sivy, ary nisy daba 12 hafa tsy mbola nisy solika.

Nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany izy sivy lahy, raha toa ka efa mandeha ny famotorana amin'izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.