Maroantsetra: Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina

  • lundi, 30 décembre 2019 09:33
  • Zakaria

Nidina tao Maroantsetra ny delegasionan’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben'ny governemanta Ntsay Christian, omaly alahady 29 desambra 2019. Nambarany fa harenina ao anatin’ny fotoana fohy ny lalana tapaka amin'ny RN5, izay mampitohy an'i Soanierana Ivongo – Mananara Avaratra – Maroantsetra, tapaka noho rano be nentin’ny andro ratsy nanodidina ny krismasy lasa teo.

Novatsiana fanafody ireo tobim-pahasalamana any an-toerana hifehezana ny mety fihanaky ny valanaretina.

Manomboka miverina ny famatsiana herinaratra izay tapaka nandritra ny herinandro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.