Zandary nitifitra olona teny Ivato: Nosamborina ka nogiazana ny basy teny aminy

  • jeudi, 02 janvier 2020 12:17
  • Zakaria
  • Sary ZP

Nosamborina ilay zandary nahavanon-doza izay nitifitra ka nahafaty lehilahy iray tao anaty toeram-pisotroana tetsy Ivato, ny marainan’ny taom-baovao 1 janoary 2020 ity.

Nanao fanamiana sivily ilay zandary, ary nitondra basy tany am-balahany. Io no notifiriny an’ilay tovolahy teo amin’ny lohany ka nahafaty azy avy hatrany.

Vao nahazo fampandrenesana an’ity loza ity ny teo anivon'ny Zandarimariam-pirenena dia namoaka didy sy fahazoan-dalana fanenjehana. Andron'io ihany dia voasambotra ilay zandary nahavanon-doza ka nogiazana ny basy teny aminy. Natomboka avy hatrany ny famotorana ifotony sy arak'asa momba azy ka atolotra ny Fitsaràna aorian’izay.

Nanantitratitra ny Zandarimariam-pirenena fa « ao anatin'ny fotoam-panadiovana anatiny ankehitriny » ka "tsy mitahiry olon-dratsy".

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.