Tsimialonjafy Mahamasina: Nisy fiotsahan’ny vatobe indray androany

  • jeudi, 02 janvier 2020 22:16
  • Zakaria

Tokony ho tamin’ny iray ora marainan’ity Alakamisy 02 janoary 2020 ity dia nisy fiotsahan’ny vatobe indray teny Tsimialonjafy Mahamasina, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra. Tsy nisy ny aina nafoy fa trano hazo iray tsy nisy nipetraka no potika. Nisy ireo olona sasany voatery nifindra toerana.

Nidina teny an-toerana ny BNGRC miaraka amin’ny sefo Fokontany nijery ny toe-java-misy, sy ireo vato mbola ahiana hiotsaka, namaritra ireo toerana mampidi-doza, ary indrindra nanentana ireo mponina eo amin’ny manodidina mba hifindra toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.