Morondava: Mitaky ny hamoahana an’i Mamy Claver ireo mpomba azy

  • samedi, 04 janvier 2020 10:11
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Morondava sy Sary nindramina

Nanao hetsika teo amin’ny biraon’i Mamy Claver, omaly hariva, ireo mpanohana mitaky ny hamoahana azy.

Kandida Ben’ny tanàna tsy miankina teto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava tamin’ny fifidianana natao ny 27 novambra 2019 i Mamy Claver. Mitarika vonjimaika amin’ny isam-bato raha ny vokatra navoakan’ny CENI.

Eo ampiandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, Toliara, no nitontona ny fiantsoana azy hiseho eo anatrehan’ny fitsarana ny 2 janoary 2020 noho ny fitorian’ny kandida mpifaninana aminy.

Efa nanodidina ny misasakalin’io 2 janoary io no nivoaka ny didy, mitazona azy am-ponja. Mitaky ny hamoahana azy ireo mpomba azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.