Iran: Nifanitsa-kitro ireo mpandevina ny Jeneraly Qassem Soleimani, 50 no maty noho ny fifanosehina

  • mardi, 07 janvier 2020 18:12
  • Tigre
  • Sary nindramina

An-tapitrisany ireo Iranianina sy ireo mpanohana azy no tonga hanatrika ny fandevenana ny Jeneraly Qassem Soleimani, izay nodarofan'i Amerikanina tany Bagdad Irak ny zoma lasa teo.

Nisy ny fifanosehana nandritra izany, ka dia nisy 50 mahery no namoy ny ainy, ary 200 mahery no naratra.

Nilaza ny hanao vali-faty amin'ny Amerikanina moa ny Iranianina.

Miantso fitoniana avokoa ireo firenen-dehibe samihafa.

Donald Trump, filoha amerikanina dia milaza fa tsy hilefitra raha misy fanafihana Amerikanina na ny tombon-tsoany.

Fantatra izao fa tsy nomen'ny Amerikanina Visa andeha ho any New York hiatrika ny fivorian'ny filan-kevitra momba ny fandriam-pahalemana eo anivon'ny Firenena mikambana ny lehiben'ny diplomasia iranianina Mohammad Javad Zarif.

Etsy ankilany dia namoaka lalàna ankamehana ny Iranianina fa ireo tafika sy miaramila amerikanina rehetra dia raisina toy ny mpampihorohoro na terroriste avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.