Anjerimanontolo Ambohitsaina: Hikatona ny vavahady manomboka rahampitso Alarobia 08 janoary

  • mardi, 07 janvier 2020 19:37
  • Zakaria

Nanatanteraka fivoriambe teny Ankatso ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo androany 07 Janoary 2020, manoloana ny zava-misy.

Nanao fanambarana izy ireo taorian’izay milaza fa « hikatona ny vavahady eny amin’ny anjerimanontolo Ambohitsaina manomboka rahampitso Alarobia 08 janoary 2020, isaky ny amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora tolakandro ». Hisy kosa ny fepetra manokana ho raisina ho an’ny mponina mipetraka marina ao anatin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo.

Nilaza ny SECES Sampana Antananarivo « zara raha misy ny vahaolana azo tsapain-tànana » mikasika ireo olan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra ary ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, voarakitry ny fitakiana miisa fito nataon’izy ireo, ka dia hanamafy ny fitakiana izy ireo mandra-pisian’ny « vahaolana mahafa-po ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.