Fahasalamana: Hisy lalàna mikasika ny « greffe d’organe » ary hatsaraina ireo hopitaly lehibe

  • jeudi, 09 janvier 2020 10:38
  • Zakaria

Hisy ny komity hamolavola ny lalàna mifandraika amin’ny fanaovana grefy taova anatin’olombelona na “greffe d’organe”, hisy hopitaly hatsangana afaka manao an’io.

Betsaka ny olona no mila mandeha any ivelany no manao ny “greffe d’organe” nefa noho ny tsy fahampiana ara-bola dia maro ireo tsy misitraka izany, ka io no isan’ny antony nanapahana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra voalohany tamin’ity taona 2020 ity ny famolavolana io fehezan-dàlana io.

Hanamboarana ihany koa ireo hopitaly lehibe eto Antananarivo renivohitra, indrindra ny fandraisana ireo vonjy taitra « service d’urgence » ao amin’ireo hopitaly ireo miaraka amin’ny fampitaovana mifandraika amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.