Haino aman-jery: Atrikasa fampahafantarana ny fitsimbadihana ho amin'ny TNT

  • jeudi, 09 janvier 2020 15:10
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tontosaina eto Ambositra, renivohitry ny faritra Amoron'i Mania, ny atrikasa iraisam-paritra ho fampahafantarana ny fitsimbadihana ho amin'ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) eo amin'ireo fandraharana amin'ny haino aman-jery.

Ireo faritra rehetra atsimon'i Madagasikara, hatreo Antsirabe mianatsimo no mandray anjara amin'ity atrikasa fampahafantarana ity, ka ny minisitry ny serasera sy kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy no nitarika ny fotoana.

Hanomboka ny volana jona 2020 ny hampiharana ity teknolojia vaovao ity, saingy isan'ny nampahafantarina teto fa tsy an-tery ny fitsimbadihana amin'ity teknolojia ity fa malalaka ny mpandraharaha amin'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.