Oniversiten’i Toamasina: Miato mandritran’ny fotoana tsy voafetra ny asa fampianarana sy ny fanadinana

  • mercredi, 15 janvier 2020 20:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny SECES Toamasina androany 15 janoary 2020, taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo tao Barikadimy, mampahafantatra ny mpitondra fanjakana, Ray amandrenin’ny mpianatra ary ny mpianatra fa « miato tanteraka mandritran’ny fotoana tsy voafetra ny asa fampianarana sy ny fanadinana eto anivon’ny oniversiten’i Toamasina ».

Nilaza ny fanambarana fa tapitra androany 15 janoary 2020 ny fe-potoana nomen'ny sendikalin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fitondram-panjakana makasika ny famahana olana momba ny fitakiana ireo teboka fito kanefa hatramin’izao dia « manao bemarenina sy tsy miraharaha » ity farany, ka noho izany dia « mitohy ary mihamafy ny tolona », hoy ny SECES Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.