Lapan’ny tanàna Analakely: Tsy azon’ny mpanao gazety natrehina ny famindram-pahefana

  • jeudi, 16 janvier 2020 14:27
  • Zakaria
  • Sary: Naina Andriantsitohaina

Tontosa androany alakamisy 16 janoary maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana sy ny Ben’ny tanàna vaovao Naina Andriantsitohaina, teo ambany fiahian’ny Prefen’Antananarivo, jeneraly Ravelonarivo Angelo.

Nosakanana tsy afaka nanatrika ny famindram-pahefana ny mpanao gazety, eny fa na mpaka sary aza. Ny mpiara-dia tamin’ny Ben’ny tanàna vaovao, Naina Andriantsitohaina no afaka naka sary. Ny Ben’ny tanàna vaovao ihany koa no nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety rehefa nivoaka ny efitrano taorian’ny fifamindram-pahefana ka nilazany fa « tao anatin’ny filaminana sy fifanajana no nanatanterahana izany. Anio tolakandro ny fotoana hametrahana ny samboady dia afaka miasa avy hatrany isika ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.