Fifaninanana hidirana ho mpianatra Polisy: Miisa 14 700 ny mpiadina manerana ny Nosy

  • samedi, 18 janvier 2020 18:15
  • Zakaria
  • Loharanom-baovao: Polisim-pirenena

Nanomboka ny androany sabotsy 18 janoary 2020 ka hifarana ny alahady 19 janoary 2020 ny fanadinana fandraisana ho mpianatra Polisy manerana ny Nosy. Mpiadina miisa 14 700 no mifaninana ka ny 20 amin’izy ireo dia ho raisina ho mpianatra « Commissaires de Police », ny 30 « Officiers de Police », 100 « Inspecteurs de Police » ary 1000 « Agents de police ».

Mitsinjara ao anatin’ny foibem-panadinana miisa 14 izy ireo. Raha ny eto Antananarivo manokana dia nizotra am-pilaminana ny fanadinana.

(Loharanom-baovao: Polisim-pirenena)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.