Toetrandro: Hiditra an-tanety anio alina ao amin'ny faritra Melaky ilay Tangovan-drahona

  • mercredi, 22 janvier 2020 20:19
  • Tigre
  • Sary Satellite 20h15

Tany amin'ny 105km andrefana avaratry Besalampy ity rivotra arahin'orana ity tamin'ny 03 ora tolakandro teo.

Mitondra rivotra 55km/ora sy tafiotra hatramin'ny 65km/ora, ary mikisaka miatsinanana amin'ny hafainganam-pandeha15km/ora.

Hiditra an-tanety anio alina ao amin'ny faritra Melaky izy, ary hamakivaky any Betsiboka, avaratry Analamanga, Alaotra ary hivoaka amin'ny faritra Atsinanana ho amin'ny rahampitso hariva.

Tsy azo sokajiana ho rivo-doza izy satria kely ny heriny, nefa kosa dia hitondra rivotra mafy sy orana izy, indrindra ny amoron-dranomasina sy ny Faritra Boeny.

Entanina izany ny rehetra andray fepetra, tsy andriaka ireo faritra misy izany, ireo zavatra na entana mora manidina azon'ny rivotra, ny biby fiompy, ny rano fisotro.

Mahereza ireo Faritra andalovany.

(Sary Satellite 20h15)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.