Viriosy sinoa: « Efa misy ny fepetra matotra raisina », hoy ny ministeran’ny fitaterana malagasy

  • mercredi, 22 janvier 2020 21:30
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fampitam-baovao ao amin’ny pejiny androany ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, manoloana ny trangana valan'aretina misy any ivelany, toy ny any Chine.

« Efa misy ny fepetra matotra raisina mahakasika ny fitiliana ara-pahasalamana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo rehetra eto Madagasikara. Anatin'izany fepetra izany ny fisian'ny toerana voatokana handraisana an-tanana ireo misy soritr’aretina », hoy ny fanambarana.

Hatramin’ny androany atoandro dia efa 17 izao ny olona matin’ity viriosy sinoa na « coronavirus » ity. Ankoatra ny tao Wuhan any Chine nahitana azy voalohany iray volana lasa izao dia efa voakasik’ity viriosy ity ihany koa izao any Japon, Korea Atsimo, eny hatrany Etazonia.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.