Vaovao

    • samedi, 21 septembre 2019 19:27
    • Sary ZP

    Midongy Atsimo: Rongony 7 kitapo saron'ny Zandary

    Nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary avy ao amin'ny Tobim-paritra Midongy Atsimo tao Ambalahoraka, Fokontany Vohimanoro, Kaominina Nosifeno, Distrikan’i Midongy Atsimo ny alin'ny 18 septambra 2019 no sarona ny rongony milanja 71kg nitsinjara tamin’ny kitapo miisa 7. Voasambotra ireo jiolahy miisa efatra nitondra ireo rongony ireo izay fantatra avy any Antodabe Isandra sy Befotaka Atsimo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 septembre 2019 17:40
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Voasambotra i Emmanuel, jiolahy mitam-piadiana

    Teo ampanaovana ny asa ratsiny nandritra lanonampianakavian'olona tao Antsakoameloky mihitsy i Emmanuel, 30 taona, no tra-tehaky ny « Police Militaire » izay andia-miaramila manao fisafoana. Nandratra olona ity jiolahy ity tamin’io fanafihany io. Efa natolotra ny Zandary eto Morondava, renivohitry ny faritra Menabe izy, izay hanao ny famotorana. Karohina ny namany. Efa nokarohina fotoana ela ity Emmanuel ity, noho izy fantatra ihany koa fa mpampiantrano mpangalatra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 septembre 2019 14:13
    • Sary Njaka

    Raharaha angidimby Mahamasina: Manameloka ny ministeran'ny Serasera ireo Mpanao gazety nampangaina

    Namory mpanao gazety teny amin'ny Karibotel Analakely ireo mpanao gazety voampanga ho namoaka vaovao tsy marina mahakasika ilay angidimby an’ny Tafika Malagasy nidina tao amin’ny Kianja monisipaly Mahamasina ny 30 Aogositra 2019 teo. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa tsy mety ny fomba nitsarana azy ireo, ary manameloka ny fanambarana nataon'ny ministera, nosoniavin’ny Tale jeneralin'ny serasera, izay « faly » amin’ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny alakamisy 19 septambra 2019, fihetsika izay tondroin’ireo mpanao gazety voampanga ho tsikombakomba fanasaziana mpanao gazety.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 septembre 2019 15:27
    • Sary nomena

    Fiahiana ara-tsosialy: Hiara-hiasa ny Fondation Akbaraly sy ny ONG La Vita Per Te ary ny Minisiteran’ny mponina

    Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny mponina, tamin’ny alalan’ny minisitra NAHARIMAMY Lucien Irmah sy ny filohan’ny Fondation Akbaraly, no sady filoha mpanatanteraka ny ONG La vita per te Dr Francesco Cimino. Haharitra 5 taona ny fifanarahana. Ho an’ny ankizy kamboty sy marefo, ireo manana ray aman-dreny voatana any amin’ny fonja, ireo iharan’ny herisetra ara-pananahana, tanora mania, fianakaviana tsy manan-kialofana, vehivavy iharan’ny herisetra, vehivavy mitondra vohoka sy mampinono, be antitra, olona voahilika amin’ny fiaraha-monina, manana fahasembanana, ankizivavy lohan’ny fianakaviana, ny tetikasa. Ary miompana indrindra amin’ny fanampiana ny zaza kamboty, mirenireny, tsy misy mpiahy, fanatsarana ny fari-piainan’ny ankizy, ary indrindra fampahafantarana ny zon’ny ankizy ny fanampiana izay hataon’ny Fondation Akbaraly.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 septembre 2019 08:28
    • Sary nindramina

    Fanamelohana mpanao gazety: Hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony ireo voaheloka

    Lamandy 10 tapitrisa Ariary no sazy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ho an’i Nadia Raonimanalina, talen’ny famoahana ny gazety Le Quotidien. Lamandy 10 tapitrisa Ariary ihany koa no sazin’i Mahery Rabearivony, mpanao gazetin’ny 24h Mada. Nafahan’ny Fitsarana i Arphine Helisoa (CUA Serasera) sy ny Patrick Ramihone Andriamisa, Talen’ny kolontsaina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Notorian’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ho namoaka vaovao tsy marina, manohitohina ny Tafika Malagasy izy ireo, taorian’ny fisidinan’ny helikôteran’ny Tafika Malagasy tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny zoma 30 aogositra 2019. Nivoaka ny tolakandron’ny alakamisy 19 septrambra 2019 ny didim-pitsarana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 20:29

    Fandriampahalemana: Hametrahana Zandary any amin’ireo faritra mena

    Voakasik’izany any Ranontsara Sud, Beravina, Ambovombe ary Andriamena. Efa miantomboka ny fanorenana ireo toerana hametrahana ny Zandary any amin’ireo faritra mena ireo, izay hiasan’ny Zandary miisa 100, ka manamboninahitra ny 25 amin’ireo, ary Zandary vao avy nivoaka ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ny 75. Hisahana sy hitety ireo faritra rehetra manodidina ireo toerana hitobiany izy ireo, hamerina ny fandriampahalemana amin’ny laoniny. Hahazo fiara vaventy iray sy fiara tsy mataho-dàlana roa isaky ny toby, ary moto folo avy izy ireo. Hisy ny toeram-ponenan’izy ireo izay hisy rano sy jiro ary hahafahany miaina tsara.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 13:43
    • Sary Polisy

    Mpanendaka misari-mamo: Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora

    Nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny 67Ha-Antananarivo, efa natolotra ny fitsaràna ary notanana am-ponja eny Antanimora ilay mpanendaka mpamily fiara, izay mody mamo hita tamin’ny tambazotra serasera. Lehilahy iray hafa izay mpanendaka mody mamo toa azy ihany koa, no efa voasambotra teny amin’ny « Aigle Noir » Ambodin’Isotry, ary efa notanana am-ponja eny Antanimora taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny Fitsarana. Lehilahy iray mpanendaka miaraka amin’ny antsy lava lela eny Vatobe 67Ha ihany koa no voasambotry ny Polisin’ny CSP7.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 10:27
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava tampon-tanana: Nitera-doza ny fanampenana ny lalam-pirenena RN5A

    Fiara kely iray no potika tanteraka raha nidona tamin'ireo vato be apetraka mandritra ny alina eny amin'ny lalana nasiana fanamboarana eto antampon-tananan'i Sambava. Tsy lavitra ny biraon'ny Faritra SAVA no nitrangan'ny loza ny alin’ny alatsinainy 16 septambra 2019. Tsy nisy aina nafoy fa ny fiara no nitondra faisana. Samy nilaza ho tsy tompon'antoka avokoa ny mpitondra manoloana ny loza, tsy misy signalisation na filazana mialoha, fa ny torohevitra dia mila atao mazava tsara ny jiro mandritra ny alina, ary hajaina ny hafainganam-pandeha. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 septembre 2019 20:33

    Tetezan’i Mangoky: 64,28 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, hovitaina anatin’ny 54 volana ny asa

    Kendrena ho vita any amin’ny volana jolay 2024 ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky amin’ny lalam-pirenena faha-9, eo amin’ny PK 199+700. Tafiditra amin’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 ny fanamboarana an’ity tetezana ity, amin’izay tsy mitsaka amin’ny baka intsony rehefa eo Bevoay. 64,28 tapitrisa dolara (241 miliara Ariary) ny vola hanatanterahana ny asa, izay famatsiam-bola avy amin’ny Tahiry Saodiana, BADEA, Tahiry Kowesianina, ny OFID (OPEC Fund for International Development) ary ny Fanjakana Malagasy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 septembre 2019 12:07
    • Sary Njaka

    Miss Tourisme Madagascar

    Nampafantarina omaly talata 17 septambra ireo 15 mirahavavy ho solontenan'i Madagasikara amin'ny Miss Tourisme. Izany moa dia hifidianana ny ambasadaoron'ny nosy eo amin'ny lafin'ny fizahantany sy ny fiarovana ny tontolo iainana, koa rehefa lany ny iray amin'izy ireo dia manao an'ilay antsoina hoe "promotion" an'ireo toerana izay mbola tsy fantatra eto Madagasikara. Marihina moa fa tamin'ny pejy facebook no nandefasana ny fifantenana. Ity tanjona iray ity ihany koa dia hanampy ny fanjakana amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara, izay eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fizahantany.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 147