Vaovao

    • mardi, 15 octobre 2019 11:44
    • Sary nomena

    Ntsay Christian: Nanao fitsidihana ofisialy tatsy amin’ny Nosy Kaomoro

    Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, no sady Minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian. Fitsidihana ofisialy ara-pirahalahiana manamarika ny fifandraisana no anton’izao dia izao. Nihaona avy hatrany tamin’ny Filoha kaomorianina, Azali Assoumani ny delegasiona, ka nifantoka tamin’ny fanamafisana orina ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fifanakalozana mikasika ireo paik’ady entina mampandroso an’i Kaomôro sy i Madagasikara ny dinika. 43 taona izao no nisian’ny fifanarahana ara-diplaomatika teo amin’ny firenena roa tonta ; voalohany kosa izao no misy komity ahitana ny andaniny sy ny ankilany, izay handinika ny lafiny rehetra hahafahana mahita vahaolana amin’ny fampandrosoana miaraka an’i Madagasikara sy i Kaomaro. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 octobre 2019 15:26

    Andramahavola – Ambohidrapeto: Telo herinandro izao no mijaly rano ny mponina

    Velon-taraina, ny mponina amin’iny faritra Andramahavola Kaominina Ambohidrapeto, Distrika Antananarivo Atsimondrano iny, fa efa mananika ny telo herinandro izao no tsy mandeha ny rano, raha toa ka mba nandeha ihany teo aloha, manomboka amin’ny misasak’alina hatramin’ny efatra ora maraina. Tena ifanotofana ny fakana rano amin’ireo manana lavadrano, vidiana mazava loatra. Mijaly ireo fianakaviana mitaiza kely manoloana izany, ka miantso vonjy mba hamahana haingana izao olana izao. Ny mpianatra efa miditra, ny vanimpotoana maintany ihany koa mitsidika ka mampitombo ny filàna rano.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 octobre 2019 20:10
    • Sary nindramina

    Antsohihy: Sady hametraka Governoran'ny Faritra Sofia no hankalaza ny 14 oktobra

    Hanamarika ny andron’ny alatsinainy 14 oktobra 2019 ny fametrahana ny Governora vaovao n'ny Faritra Sofia, Kolonely Lylison René de Rolland. Nosafidiny ny hametrahana azy amin’io 14 oktobra io noho io daty manan-tantara eto amin'ny firenena, nanambarana ny fijoroan'ny Repoblikan'i Madagasikara teny amin'ny efitrano filanonan'ny lycée Galliéni - Antananarivo. Hatao eo amin’ny « Rond point Philibert Tsiranana » Antsohihy ny lanonana, sady ho fanomezam-boninahitra an’i Philibert Tsiranana, filohan'ny Repoblika teo aloha, sady Rain'ny fahaleovantena.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 octobre 2019 17:57
    • Sary nindramina

    Ankaboka - Sakaraha: Avotra ireo mpianaka takalon'aina, dahalo roa azo sambo-belona

    Roalahy, mpianaka, nitondra sarety haka kitay tao analan'Ankaboka no notafihin'ny dahalo efatra nitondra basy telo ny marainan’ity alahady 13 oktobra 2019 ity. Nalain'ireo dahalo ny ombin-tsarety roa ary nataony takalon'aina izy mianaka. Roso avy hatrany sady nanaradia no niantso vonjy tamin'ny Zandary ny Fokonolona vantany vao naheno izany. Sendra ny Zandary notarihin'ny komandin'ny tobi-paritry ny Zandarimaria Sakaraha nanao fisafoana teny Andranomaintso Sakaraha amin'ny RN7 izy ireo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 octobre 2019 19:25
    • Sary nomena

    Ambatofitorahana – Ambositra: Basy vita gasy roa saron’ny Zandary

    Nahazo fanomezam-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny Zandary fa misy olona mitazona basy mampiahiahy ao Miadrifaikona, Kaominina Ambatofitorahana, Distrika Ambositra. Nidina tao an-toerana avy hatrany ny Zandary avy amin’ny kaompania Ambositra. Vao nahatazana ireo Zandary ilay olona voatondro fa mitazona basy dia nitsoaka any anaty ala. Nanao fisavana ny tranony ny Zandary ka tamin’izay no nahitana basy roa vita gasy. Nogiazana avy hatrany ireo fitaovam-piadiana ireo. Nanokatra fanadihadiana ny Zandary, mitohy ihany koa ny fikarohana ilay tompon’ny basy.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 octobre 2019 19:16
    • Sary nindramina

    Tetikasa Tana Masoandro: Tonga ny iraky ny fanjakana, notsenain’ny mponin’Anosibe Zaivola sorabaventy

    Nidina teny Anosibe Zaivola, Boriborintany Faha-6 Ambohimanarina, Antananarivo Renivohitra androany ny mpikambana roa ao amin’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy Andrianainarivelo Hajo sy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy, teo koa ny Tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 octobre 2019 14:08
    • Sary nindramina

    Jeneraly Rakotonirina Richard: « Tsy hisy famindram-po mihitsy amin'ny asan-dahalo »

    Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana, sivily sy miaramila teto Fianarantsoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Hentitra ny teniny fa « tsy hisy famindram-po mihitsy amin'ny asan-dahalo ». Tsy mendrika ny hiaina ao anatin’ny tahotra intsony ny vahoaka Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasan’ny rehetra ny tenany, ary nanamafy fa ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay no ahafahana manafoana ny asan-dahalo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 octobre 2019 09:22
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Prefen’i Sambava mampiasa fitaovan'ny BNGRC ho amin’ny tombotsoany ?

    Miteraka resa-be ato amin'ny Faritra SAVA ny mahita ireo fitaovan'ny BNGRC manao asa maro samihafa ka misy voatonona ho ao ambadik’izany ny Prefen’i Sambava. Nitondra fanazavana izy tenany, Rabenandriamanitra Louis Sabatin, Prefen’i Sambava fa tsy mitombina izany fanakianana azy izany. Ny alakamisy 10 oktobra 2019 ihany dia nampijery ifotony ny asa izay ataon'ireo fitaovan'ny BNGRC ireo izy, sady namela malalaka ny hanaovana fanadihadina amin'izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 octobre 2019 14:35
    • Sary ZP nomena

    Ambilobe: Rongony 800kg nodorana, fototra rongony tamina velaran-tany 2,5 Ha nopotehina

    Mitohy ny fandravana ny tambazotra mpanao trafika rongony aty anaty ala amin’ny Distrika Ambilobe. Ny alin’ny 9 oktobra 2019 dia olona miisa 11 ka vehivavy ny 3, no saron’ny Zandary tany anaty ala niaraka tamin’ny rongony 35 gony, milanja any amin’ny 800kg, ary nodorana rehefa nahazo fahazoan-dalana. Nandritra ity hetsika ity ihany koa dia fototra rongony amina velaran-tany 2,5 hekitara no nopotehina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 octobre 2019 14:20
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava - Tranga manaitra: Fikambanana mampiasa fitomboka mena

    Tonga nanatona ny lehiben’ny Fokontany Ambatofitatra, Kaominina ambonivohitra Sambava ireo olona nahazo fanamarihana tamin'ny fandoavana adidy amin'ny fidirana amin'ny tany voatondro hozaraina ka samy mandoa 1 000 Ar, fa ny tsy mazava amin'izy ireo dia nahoana ny an’ny sasany toa fitomboka manga no tamin’ny karne nanamarihana ny fandoavam-bola ary ao kosa ny fitomboka mena? Nanipika mazava tsara ny lehiben’ny Fokontany rehefa nanontaniana fa tsy izy no tompon'andraikitra amin'ity fa ireo milaza ho mpitarika ilay Fikambanana, ary na izy tenany aza mba taitra raha nahita izao fampiasana fitomboka mena izao, ka mametra-panontaniana hoe : tsy fahaizana sa fanahy iniana mba hamitahana ny mponina fa hoe ara-panjakana ny fizarana ny tany ? Voatokana ho an’ny fanjakana ihany mantsy ny fampiasana ny fitomboka mena. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 152