Vaovao

    • jeudi, 10 octobre 2019 12:37

    Amoronakona: Misy « fuite » ny famokaran-drano

    Nitondra fanazavana ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo, Andriamanga Vonjy, manoloana ny tsy mbola maha tomombana ny famatsian-drano miainga avy amin’ny foibe famokaran-drano vaovao naorina eny Amoronakona hamatsiana ny mponina amin’ny ilany atsinanan’Antananarivo. Tapabolana izay no efa nahavitan'ny fotodrafitrasa eny an-toerana saingy mbola tsy afaka misitraka ny rano fisotro madio ireo mponina mijaly rano noho ny olana ara-teknika samihafa. Misy « fuite » maro, hoy ny fanazavana. Noho io fanatsarana ny lafiny teknika io, izay hiasana andro aman'alina, dia lasa mitarazoka ny fanatsarana ny famatsiana rano ho an'ny faritra atsinanan'Antananarivo.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 octobre 2019 22:13

    Fianarantsoa: Hanao diabe am-pahanginana

    Hisy diabe am-pahanginana hotanterahina eto an-drenivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny zoma 11 oktobra 2019. Natao ho fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nisesy teto Fianarantsoa, ho fifanohanana amin'ny fianakaviana namoy havana, ary ho fanairana ny fandraisana andraikitry ny rehetra sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ity hetsika ity. Hiainga eo amin'ny Vigie Police Talatamaty ity diabe am-pahanginana ity, manomboka amin'ny dimy ora latsaka fahefany hariva, avy eo mihazo eny amin’i Aridera. Hisy fametrahana fehezam-boninkazo eo amin'ny toerana nitrangan'ny loza eo Talatamaty tamin’ny zoma 3 oktobra 2019. Mitohy mihazo an'Ambalapaiso Ambony ny diabe, ary hisy koa fametrahana fehezam-boninkazo, toerana nahafaty ilay renim-pianakaviana mpangataka ny 7 oktobra 2019.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 21:24

    Sambava: Vola sandoka no nandoavan’ireo mpisoloky ny vidin’ny lavanila 22kg, mitentina 22 tapitrisa Ariary

    Fahavoazana tsy roa aman-tany no nahazo an’ity tantsaha mpamokatra lavanila iray avy any amin’ny Kaominina Nosiarina, tonga teto Sambava omaly alatsinainy 7 oktobra 2019. Lasan’olona ny lavanila 22kg, vola voarainy anefa sandoka avokoa. Nipenimpenina, efa teo ambavahaonan’ny famonoan-tena ilay tantsaha voasoloky. Nifanao fotoana teo Antanifotsy 2, Fokontany iray eto Sambava tampon-tanàna, ilay tantsaha niaraka tamin’ny lavanila maina 22kg sy ny mpividy lavanila. Telo lahy ireto farany no tonga. Natao ny ady varotra. Nifanaraka ny andaniny sy ankilany fa iray tapitrisa Ariary ny vidin’ny iray kilao. Nanome vola mbola tao anaty fonosana an’ilay tantsaha ireo mpividy. Nilaza ireto farany fa holanjaina aloha ny entana, hohamarinina. Tsy nanana ahiahy ilay tantsaha, ny vola be 22 tapitrisa Ariary rahateo efa anaty fonosana eny an-tanany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 20:40
    • Sary nindramina fampiaingoana

    Paositra Malagasy: Feno 25 taona, hotokanana ny masoivohony faha-255

    Hankalaza fety maro sosona ny Paositra Malagasy ny andron’ny 9 oktobra 2019. Eo ny Andro manerantany ho an’ny Paositra, izay ankalazaina isaky ny 9 oktobra. 1994-2019 : feno 25 taona katroka amin’ity 2019 koa izao no niofon’ny PTT ho Paositra Malagasy. Hanamarika io andron’ny 9 oktobra 2019 io ny fitokanana ny masoivoho faha-255 ny Paositra Malagasy eo Vassacos Antanimena Antananarivo. Efa nialohavana fampirantiana hajia teny Antaninarenina moa ny hetsika androany 8 oktobra 2019. Ny Paositra Malagasy no sampandraharaham-panjakana manana masoivoho maro indrindra manerana ny Nosy.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 20:34

    Miandrivazo: Zandary iray tazomina am-ponja vonjimaika

    Fikasana hamono olona tamin’ny basy. Tranga izay niseho tamin’ny 28 septambra 2019, no niampangana an’ity zandary ity, izay manana galona G1C (Gendarme de 1ère Classe) miasa ao amin’ny brigadin’ny Zandarimaria Ankondromena. Androany talata 8 oktobra 2019 izy no natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miandrivazo, taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny lehibe nirosoana tamin’ny famotorana azy. Nivoaka tamin’ny 2ora latsaka ny didy savaranonando itazomana am-ponja vonjimaika an’ity zandary ity ao amin’ny Fonjaben’i Miandrivazo. Tafakatra 57 aminy izao ireo zandary niditra am-ponja noho ny fandikan-dalana, kolikoly, firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy, heloka bevava vitany. Misy 51 hafa ihany koa efa vita famotorana noho ny raharaha anenjehana azy ireo, ary efa any amin’ny Fampanoavana ny dosien’izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 17:17
    • Sary nindramina

    Besarety – Antananarivo: Diovina ny tatatra

    Tonga ety Besarety ireo fitaovana vaventy hisava sy hanala ireo fako manentsina ny tatatra fivarinan’ny rano izay anisany fototra mahatondraka ny rano amin’ity faritr’i Besarety sy ny manodidina, ato amin’ny Boriborintany faha-3 Antananarivo Renivohitra ity, rehefa fahavaratra. Misy ny asa tanamaro mifanindran-dalana aminy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 14:47
    • Sary nindramina

    Swami Sivananda: 123 taona izy izao, raha ny voarakitry ny pasipaoro eny ampelan-tanany

    Raha marina sy voaporofo ny daty nahaterahany voarakitra ao amin’ny pasipaorony dia i Swami Sivananda no zokiolona indrindra miaina eto amin’ity bolantany iainantsika ity. Teraka tamin’ny 8 aogositra 1896 tany Behala, Inde izy. Na ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina tao Abou Dhabi, Dubai aza gaga sy zendana raha nahita ny taonan’i Sivananda, nefa mbola nahavita nitaingina fiaramanidina avy any Kolkata hiazo an’i Londres, niaraka tamin’ny fiaramanidin’ny kaompania Ethihad Airways, raha nijanona kely tao Abou Dhabi Dubaï. Vao enin-taona i Swami Sivananda dia efa kamboty, namoy ny ray sy reniny ka fianankaviany no nitaiza azy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 octobre 2019 13:55
    • Sary nindramina

    Betsiaka- Ambilobe: Mitam-piadiana ireo mpamotika ny ala arovana

    Valo lahy mitam-piadiana no tra-tehaka mikapa hazo sy manao saribao ao amin’ny faritra arovana Andrafiamena, Kaominina Betsiaka, Distrika Ambilobe. Fiaraha-miasan’ny zandary avy amin’ny « Poste avancé » Betsiaka, ny foibem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra miaraka ny ekipan’ny Fanamby sy ny KMT (Komity Miaro ny Tontolo iainana) no nahazoana ny vokatra. Eo ampelantanan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsiranana ny raharaha ankehitriny. Manahy valifaty ny ekipan’ny Fanamby sy ny KMT (Komity Miaro ny Tontolo iainana) raha votsotra amin’izao ireto andian’olona ireto. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 octobre 2019 20:07
    • Sary MAHTP

    "Village Voara" Andohatapenaka: Mampiantrano fikaonan-doham-pirenena momba ny tanàn-dehibe

    Tanterahina nanomboka androany alatsinainy 7 oktobra 2019 etsy amin'ny "Village Voara" Andohatapenaka Antananarivo, ary haharitra telo andro ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny tanàn-dehibe, andiany faha telo. Lohahevitry ny fankalazana amin’ity ny hoe : "Ny tanàn-dehibe, fanohitra ho an'ny fampandrosoana haingana sy maoderina". Mifanojo indrindra amin’ny alatsinainy voalohany amin'ny volana oktobra izay natao hankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana ity fanombohan’ny hetsika ity. Kendrena mba tena hametrahana drafi-panajariana matotra sy maharitra ary tena hampivoatra ny tanàn-dehibe sy hahatonga azy ireo ho fanohitra tokoa ho an'ny fampandrosoana ny fikaonan-doha toy izao, hoy ireo mpandray fitenenana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 octobre 2019 12:49
    • Sary: Njaka Nirina

    Emagnobo - Tolagnaro: Fisaram-panambadiana nivadika ho ady saritaka, olona 11 maty

    Nandriaka ny rà taty Emagnobo, Distrikan’i Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nivadika ho fifamonoana faobe ny fisaraham-bady teo amin’ny lehilahy avy ao Emagnobo sy vehivavy avy any Esira-Amboasary Atsimo. Nampakatra vehivavy hafa ralehilahy nefa tsy mbola vita ny fombafomba amin’ny fisarahana tamin’ny vadiny teo aloha. Niditra an-tsehatra ny Dina be, izay jado na malaso niova fo avy any Esira, nandamina. Omby maromaro no notakiana ho onitra ho sazin’ilay rangahy. Nanda ny hanavaka omby maro ny fianakavian-dralehilahy. Nandrahona ny handraoka ny omby teo an-tanàna ireo mpampihatra dina ka raikitra teo ny disadisa ady saritaka, niafara tamin’ny vono olona io. 11 no namoy ny ainy ka lasibatra ireo mpampihatra Dina. Atahorana ny valifaty amin'izao.    
    Lire la suite ...
Page 3 sur 152