Vaovao

    • jeudi, 19 décembre 2019 20:25

    Toamasina: Jiolahy telo mpangalatra taribin’ny Jirama voatifitry ny zandary

    Nanome baiko ny mpitandro ny filaminana ny Prefen’i Toamasina sy ny lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany  (TPI) Toamasina hanao ady amin’ireo mpangalatra taribin’ny Jirama, satria tao anatin'ny roa taona farany izao dia mirefy 37Km ny tariby no very. Maty voatifitry ny Zandary omaly alarobia teny Tanandava ny telo tamin’izy ireo. Tafatsoaka ary karohina i Piso niaraka tamin'izy telo lahy na efa voatifitra koa aza. Namaly botana tamin’ny basy poleta vita gasy ireo jiolahy mpangalatra tariby tamin’io fotoana naha-voatifitra azy ireo io.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 décembre 2019 19:41
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Marojala-Lokoho: Voasambotra ary natolotra ny Fitsarana ireo efa-dahy namono olona

    Voasambotra ny alatsinainy 16 desambra teo ireto dahalo efa-dahy izay nanao fanafihana tao amin'ny Fokontany Andakoro, Kaominina Marojala, Distrikan’i Sambava, ka nahafatesana olona roa tsy manantsiny. Nisy olona roa hafa ihany koa naratra vokatr’izay fanafihana izay. Nambaran'ny komandin’ny kaompanian’ny Zandarimarian’i Sambava, kapiteny Mahavorisoa Emilien, fa « atolotra ny Fitsarana ireto, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo namany » 55 taona no zokiny indrindra amin'ireto olon-dratsy ireto. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 décembre 2019 19:23

    Toamasina: Zandary 4 naiditra am-ponja noho ny tsy fanajana ny fitsipika anatiny

    Hentitra ny fanadiovana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Tamin’ity taona ity dia Zandary miisa efatra niasa tao amin’ny Vondro-tobi-pileovana Zandarimaria Atsinanana no naiditra am-ponja noho ny tsy fanajana ny fitsipika anatiny ; nisy zandary iray nahazo famindran-toerana araka ny fitsipi-pifehezana; Zandary 45 voasazy noho ny tsy fanarahana fitsipi-pifehezana. Nisy kosa anefa ny fankasitrahana Zandary miisa 20 noho ny asa amam-pahamendrehana vitany sy ny vokatra tsara azony.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 20:50
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: Navory teto Antsirabe ireo mpamokatra koba

    Notontosaina teto an-drenivohitr’i Vakinankaratra androany ny atrikasa momba ny fampanaraham-penitra ny famokarana koba ho an’ny zaza sy ny ankizy. Faritra niisa dimy no nandray anjara tamin’izany dia i Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Tanjon’ny fihaonana raha ny nambaran’ny teo anivon’ny “Bureau des Normes à Madagascar”, dia ny fampahafantarana ny « fenitra nasionaly » amin’ireny famokarana koba etsy sy eroa ireny aloha, izay hita fa mahazo vahana tato ato, mba hifanaraka kokoa amin’ny fenitra tokony ho ara-pahasalamana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 15:54
    • Sary nindramina

    Fanabezam-pirenena: Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra sangany

    Notolorana mari-pankasitrahana androany tetsy amin’ny ministeran’ny Fanabezam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arak’asa ireo mpianatra sangany avy amin'ny Faritra 22. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 décembre 2019 20:13
    • Sary nomena

    SAMVA: Haverina amin’ny CUA, nomena fiarabe mpitatitra fako miisa 35 sy daba-pako 175

    Notoloran’ny fanjakana fiarabe mpitatitra fako miisa 35 sy daba-pako miisa 175 ny SAMVA (Service Autonome de l'Assainissement de la Ville d'Antananarivo). Natao ny sabotsy 14 desambra 2019, tetsy an-tokontanin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana manamarika izany. Nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa santatry ny hamerenana ny SAMVA ho eo amin'ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo (CUA) izao, raha nesorina ny taona 2008. Nohamafisiny koa fa « hanolotra 50 lavitrisa Ariary ho an'Iarivo ny fanjakana Foibe hanarenana ny tanàna ». (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 décembre 2019 19:10
    • Sary nindramina

    Maharante Jean De Dieu: Lasibatry ny « sonia halatra » namoaham-bola tao amin’ny ARTEC

    Nanao fanambarana lava ao amin’ny pejiny facebook i Maharante Jean De Dieu, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, mikasika ny vola 6 miliara Ariary tao amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication) iampangana azy taorian’ny fanadiadiana nataon’ny IGE (Inspection Générale de l'Etat). « Gaga », aho hoy i Maharante satria « tsy mandalo teo imasoko ny atontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany ». « Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina ». Any amin’ny zanany any Paris, Frantsa ny tenany amin’izao fotoana izao, araka ny ambarany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 15:20
    • Sary Jinah Hercile

    Marolambo: Nilanja sorabaventy nitaky ny tambinkaramany ireo mpampianatra ENF

    Nanao hetsika nilanja sorabaventy, naneho ny alahelony sy nitaraina teny amin’ny CISCO, omaly, ireo mpampianatra ENF manerana ny fari-piadidiam-pampianarana Marolambo, noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambikarama efa 10 volana ho an’ireo mampianatra amin’ny EPP, ary efa 24 volana ny an’ireo amin’ny « Préscolaire ». Manao antso avo izy ireo mba hijerena akaiky ka hamahana haingana ny olan'izy ireo, satria « ny tsy tsinay tsy mba vatsy, ary ny kibo tsy mba lamosina » ; hifarana rahateo ity ny taona, mba te hanao fety toy ny fianakaviana malagasy rehetra izy ireo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 14:41
    • Sary nomena

    Ivato: Natomboka ny fananganana « building mora »

    Notontosaina teny Ivato, Distrika Ambohidratrimo ny zoma 13 desambra 2019 ny fametrahana vatofotry ny asa fanorenana « building mora » na trano ahitana rihana efatra miisa 38. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanim-panjakana mirefy 14ha no hanorenana ireo fotodrafitrasa ireo ary haharitra iray taona sy tapany ny asa. Volan'ny fanjakana malagasy madiodio no hanatanterahana ireto tetikasa ireto, ary orinasa malagasy ihany koa no hampiandraiketina izany. Natokana ho an’ireo olona manana fidiram-bola antonony na “classe moyenne” ireto andiana trano ireto, ka hisitraka izany na ny mpiasam-panjakana na ireo mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 décembre 2019 23:13
    • Sary nindramina

    Fiara-panjakana nitondrana mariazy: Nitontona tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny sazy

    72 ora taorian’ny fanambarana an-tsoratra nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, ny 8 desambra 2019, nilaza fa « tsy azo ekena ny fampiasana fiaram-panjakana amin’ny antony manokana tahaka ny mariazy na raharaham-pianakaviana hafa », dia ny tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana no « nandraisana fepetra ». Fiaran’ny Tahirimbolam-panjakana ilay fiara Audi A6 nitondrana mpanao mariazy ny sabotsy 7 desambra 2019 ary « hita niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera » ny sariny. Tsy niandry ela fa nesorina tamin’ny toerany avy hatrany ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Andriamanga Herivelo vokatr’io. Nanampy trotraka ihany koa ny fahaverezam-bola hatrany amin’ny 800 tapitrisa Ariary tao amin’ny « Paierie générale » Antaninarenina.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 163