Vaovao

    • mercredi, 28 août 2019 08:38
    • Sary Polisim-pirenena

    FANAMBARANA AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

    « Ny Polisim-pirenena natao hiasa sy hiaro hanakaiky hatrany ny vahoaka » Ny eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka dia manao izao fanambaràna izao manolona ny tranga mahakasika ny raharaha naharavana tambazotran-jiolahy tamin’ny marainan’ny zoma faha 23 ny volana aogositra 2019 lasa teo. Nahatsiaro tena ho nahavita ny adidy sy ny andraikitra manoloana ny fiaraha-monina ny fianakaviam-ben’ny Polisy raha nahasakana ny fanafihana izay nokasain’ireto jiolahy ireto notanterahana teo Antsahamanitra. Sahirana anefa raha niara-nahita tamin’ny be sy ny maro ny horonan-tsary izay nampiseho ny zava-nitranga teo Ampefiloha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 août 2019 20:01
    • Sary Polisim-pirenena

    Ihosy: Jiolahy iray tratra niaraka tamin'ny revolver

    Tovolahy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Ihosy ny 17 aogositra lasa teo nahatrarana basy poleta « revolver ». Miezaka mifehy ny fampandriampahalemana aty amin’ny Distrikan’Ihosy ny Polisy miasa aty an-toerana. Vokatry ny fisafona nataon’izy ireo tao amin’ny fokontanin’ny Manjaka/Ihosy, dia lehilahy iray izay niafina tao ambadiky ny tranon’olona no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana. Nikasa hanatanteraka asa ratsy ity lehilahy ity no sainga nifanehitra tamin’ireo Polisy nanao fisafoana ka dia noraisi-potsiny. Nosamborina avy hatrany ity jiolahy ity niaraka tamin’ny basy poleta iray sy bala miisa 06, izay teny aminy. Ny alin’ny 17 aogositra lasa teo no nitrangan’izany. Nanentana ny vahoaka hatrany ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Ihorombe amin’ny fanomezana loharanom-baovao ny Polisy raha vao mahita trangan-javatra hafahafa.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 août 2019 19:56
    • Sary Polisim-pirenena

    Andraisoro: Nampangain'ny karapanodrony ireo mpanendaka

    Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny alarobia 23 aogositra teo teny amin’ny faritra Andraisoro noho ny antony fanendahana. Vehivavy iray no voahendaka teny Andraisoro ny alin’ny alakamisy 08 aogositra lasa teo, raha sendra nody alina. Niezaka nanohitra anefa io vehivavy io ka na dia lasan’ilay mpanendaka aza ny fananany dia voasintony kosa ny kitapo kely teny am-baben’ity mpanendaka azy. Ny marainan’ny zoma 09 aogositra kosa dia tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ilay vehivavy voahendaka, ary natolony ireo polisy ilay kitapo azony tamin’ilay mpanendaka.
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 août 2019 14:01
    • Sary nomena

    Ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana: Nohatevenina ny fitaovana, homena « motivation » ny mpitandro ny filaminana

    Tonga nametraka ny vato fototra hanamboarana ny « Base opérationnelle avancée » tao Tsaratanàna faritra Betsiboka ny filoha Andry Rajoelina ny 23 aogositra 2019. Trano handraisana vondro-tobin-tafika izay mahazaka vata miaramila miisa eo amin’ny 84, ary ahitana toby fametrahana fitaovana sy toerana hipetrahan’ny angidimby izy ity. Nambarany fa hohamafisina ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, ary mba ho fampirisihina ny mpitandro ny filaminana dia hapetraka ny fitantanana miainga amin'ny fanomezana valisoa sy tambiny na « motivation » ho an'ireo izay mahatanteraka ny asa ankinina aminy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 août 2019 18:23
    • Sary Polisim-pirenena

    Cybercriminalité: Tovolahy voajonon'ilay nilaza fa tovovavy tamin'ny facebook

    Nahatratra tranga fisolokiana ny tao amin’ny Polisy miasa ao amin’ny sampana « cybercriminalité » Anosy. Nisy lehilahy 17 taona nifanoratra tamina tovovavy iray voalaza fa tsara tarehy tao anaty « facebook ». Rehefa nifampiresaka elaela izy ireo dia nifampitory fitia ary nifanao fotoana. Noho ny tonga ny ora sy ny toerana voatondro nifanomezana dia nilaza ilay tovovavy fa tsy afaka fa mbola manao douche fa ny anadahiny no hitsena ilay tovolahy. Tonga tokoa ilay nolazaina fa anadahiny ary nampandroso ilay tovolahy tany an-trano. Rehefa tafiditra ny varavarana dia nivadika ny resaka. Norahonan’ity milaza fa anadahin’ilay tovovavy ilay tovolahy, ka nilaza ity tovolahy nandrahona fa zanaka mpitsara ny anabaviny, no sady tsy ampy taona ihany koa.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 août 2019 18:08
    • Sary polisim-pirenena

    Mahavoky: Nahatrarana rongony ireto tanora tsy ampy taona

    Tovolahy tsy ampy taona miisa 02 sy lehilahy iray, 21 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny alarobia faha 21 aogositra teo teny amin’ny faritra Mahavoky noho ny fitondràna rongony 01 fonosana lehibe. Polisy nanao fisafoana teny amin’ny faritra Andravoahangy sy ny manodidina no nifanena tamina tovolahy 15 taona sy 16 taona ary lehilahy 21 taona teo Mahavoky tamin’io alarobia io, tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Nanapa-kevitra ny hanakana sy hisava ireto telo lahy ireto ny Polisy, ka rongony 01 fonosana lehibe, fantatra amin’ny anarana hoe « karaoty » no tra-tehaka tany amin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 août 2019 20:02
    • Sary nomena

    CSP Alasora: Tratra ilay mpangalatra bateria

    Ny 20 aogositra 2019 dia tovolahy iray 30 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP ALASORA teny Ankadindratombo, resaka halatra «batterie » anà fiara. Anisan’ny mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra Ankadindratombo sy ny manodidina iny ny fahaverezana bateria mipetaka amina fiara toy izao. Amin’ny alina ireto olon-dratsy ireto no manao ny asa ratsiny, ary tsy mionona fotsiny amin’ny fangalarana ny bateria izy ireo fa mbola manao fanahy iniana ihany koa manimba ny kojakoja rehetra sy ny piesy izay sendra azy ireo ao, toy ny halatra miaro figafiana izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 août 2019 13:38
    • Sary nomena

    Vohémar - Ampanefena: Vao maika mirongatra ny varomaizina amin’ny solika

    Vetivety dia ritra ny solika eny amin’ny toby mpaninjara. Any amin’ny varomaizina no hita ny solika. « Ireo varotra amin'ny bidon mavo no mandany solika amin’ny station aty », hoy ny mpanjifa. 5000 Ariary ny litatra ho an’ny lasantsy eny amin’ny varomaizina. Tsy azo antoka anefa satria misy manafangaro rano na zavatra hafa ny solika eny amin’ny sisiny, ka maro ny motera simba aterak’izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 août 2019 20:07
    • Sary Njaka

    CDA Andohatapenaka: Namarana ny taom-pianarana

    Nofaranana androany ny taom-pianarana teny amin'ny kolejy CDA Andohatapenaka. Nisy ny lanonana nentina namaranana izany, teo ambany fiahian'ireo mpanabe sy ireo raiamandreny. Ity kolejy ity moa dia mitaiza sy mampianatra ireo ankizy sahirana, ka ao anatin'izany ny kamboty izay tsy mahefa ny saram-pianarana ka anisan'ny manamora izany ny CDA. Mpianatra miisa manodidina eo amin'ny 280 eo no mianatra ao ankehitriny. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 août 2019 21:07
    • Sary nomena

    Fitsaram-bahoaka: Mandrefy ny fahefam-panjakana ny zava-niseho tao Tsarabaria - Vohémar

    Nandriaka ny ra androany alatsinainy 19 aogositra 2019 tao Antanamandriry Kaominina Tsarabaria, Distrikan’i Vohémar. Enin-dahy voalaza fa jiolahy mpangalatra lavanila no maty tsy tra-drano niharan’ny fitsaram-bahoaka. Niteraka resabe ny fahitana ny faty niampatra ka niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy ny sary. Aiza ny fahefam-panjakana, hoy ny maro ? Aiza ny mpitandro ny filaminana no dia novonoina tsy nandalo Fitsarana ireto jiolahy ireo, ka tsy ahafantarana ny atidohan’ny mpangalatra lavanila hoy indray ny sasany. Efa leo ny Fokonolona satria matetika dia votsotra hatrany ireo jiolahy tratra ka atolotra ny fitsarana, avy eo miverina mamalifaty ka ny fitsaram-bahoaka no vahaolana sady fiarovantenan’ny tantsaha, hoy indray ny hafa. Nahatrarana fitaovam-piadiana toy ny basy poleta roa, iray tena izy, ny iray vita gasy, niaraka tamin’ny bala miampy zava-maranitra sy fanafody fampatoriana tao anaty boaty tany amin’ireo jiolahy ireo.
    Lire la suite ...
Page 9 sur 152