Rastany sy David: Andro faharoa amin'ny fampielezan-kevitra eto amin'ny Boriborintany faha II

  • mardi, 07 mai 2019 20:26
  • Sary nomena

Manohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II ny kandida mpiray lisitra narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, dia Randrianarisoa Stanislas na Rastany sy Tahinjanahary David, ity farany izay zanak’Imady tokana sahy hiatrika fifidianana eto Antananarivo Renivohitra.

Anisan'ny nanome tsodrano ireto kandida ireto ny Raiamandreny sy mpikambana ao amin’ny IMIANTA (Imady MIray eto ANTAnanarivo).

Voatsidika tamin'izao andro faharoa izao ireo mponina ao amin'ny fokontany Andohamandry, Manakambahiny, Ambohimiandra, Ambohitsoa, Androndra ary Saropody.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.