Fifidianana depiote: 68%’n’ny kandida no nanao sonia « TOKY NOMENA »

  • samedi, 18 mai 2019 10:48
  • Sary nindramina

Loha-lisitra sy solontenan’ny kandida depiote miisa 553 amin’ireo mpilatsaka ho fidiana miisa 810 (68%) no nanao sonia « TOKY NOMENA », dina novolavolain’ny komity ivondronan'ny rafitra 12 misehatra amin’ny fifidianana (CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International, ONG Tolotsoa, Justice et paix).

Dina ifampifehezan’ireo kandida ho Solombavambahoaka, ahitana ireo fitsipi-pitondran-tena irian’ny olompirenena mba hananan’ireo kandida mandritra ny fampielezankevitra sy mandritra ny fifidianana, ary aorian’ny fifidianana..
Fifidianana depiote: Manofana ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny CENI

Maharitra telo andro ny fampiofanana omen'ny CENI ireo mpikambana amin’ny biraom-pifidianana manerana ny nosy hiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka.

Natao indrindra hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny tokony ho fomba fiasa ary ny tokony ho fitondrantenan’ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny fampiofanana, ka teboka telo no ifotoran’izany, dia ny fanajàna ny lalàna, ny fanajana ny fangaraharahan’ny fifidianana sy ny tsy fitanilana, ary fandrindrana ny asa rehetra sy ny fampitaovana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.