Kolikoly, tsy fanarahan-dalàna: Zandary miisa 54 no niditra am-ponja hatramin’ny 1 febroary 2019

  • jeudi, 15 août 2019 20:28
  • Sary nindramina

Hentitra ny fampanarahan-dalàna, mitsoka ny rivo-panadiovana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Atao ny fananarana sy fampitandremana fa mbola misy ireo Zandary manao ratsy, ka andraisanay fepetra, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jeneraly Ravalomanana Richard.

Nanambara ity farany fa Zandary miisa 54 izao no niditra am-ponja hatramin’ny 1 febroary 2019, noho ny tsy fanarahan-dalàna, kolikoly, firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo. Hentitra ny SEG fa raha mbola misy ny Zandary jiolahy dia mbola hanatitra azy ireo amin’ny Fitsarana ny Zandarimariam-pirenena.

Mampirisika ny olona rehetra hanampy ny Zandarimariam-pirenena (034 12 005 25), miaraka amin’ny porofo, ny tenany ho fitsinjovana ny soa ho an'ny daholobe, ary hiarovana ny Voninahitry ny Zandarimariam-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.