Sambava: Nirehitra ilay « Epi-Bar Vanilla » malaza eto Ambodisatrana

  • jeudi, 15 août 2019 21:28
  • Sary Gasypatriote Sambava

Setroka nanaka-danitra noho ity haintrano ity no nanaitra ny mponin’i Sambava androany alakamisy 15 aogositra 2019, tokony tamin'ny 3ora tolak'andro.

Samy nilaza ny fomba fahitany azy ny mponina teny an-toerana. Tao ny nilaza fa avy tao amin'ny efitra fatorian'ny tompontrano no nahitana afo voalohany. Misy indray ireo nilaza fa avy tao amin'ny lakozia no nipoiran’ny afo.

Nananosarotra ny famonjena noho ny tsy fananan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Sambava fiara mpamonjy voina. Mpamojy voinan'ny Adema no nanome tanana, niaraka tamin’ny Fokonolona.

Lany rano anefa ilay fiara mpamonjy voina teto ka voatery nitatitra noho herin’ny afo.

Marihina fa samy tsy tao an-toerana izy mivady tompontrano fa ny mpanampy irery no tao. Tsy nisy entana azo noraisina. Andrasana ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana izay samy hita teny an-toerana avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.